Nampitovy tandin-dokanga niaro ny fitondrana, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalana, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Tokony hitadiavana vahaolana haingana ireo fitakiana samihafa, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa. Miantso fifampidinihana hamahana ireo olana samihafa ihany koa, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana...
♦ Nisokatra tamim-pomba ôfisialy androany etsy amin'ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoana an'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola tsy resy lahatra amin'ny fanafarana ny vaksiny fanefitry ny coronavirus ny fitondrana malagasy... ♦ Mangataka tsy misy fepetra ny fametrahampialan'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny ministera, izay tsy mahavaha olany ny sendika mahaleo tenan'ny inspecteurs du travail...
Tsy andro fety ny 8 marsa fa andro manerantany hatsiarovana ny fitakian-jo. Loha-hevitra tamin'ity taona ity: Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy. Ny vehivavy dia afaka mampandroso ny firenena araka ny toen-tsaina ananana, ary afaka mampita izany amin'ny taranaka. Vehivavy mizaka tena mira mahefa, mifanampy amin'ny lehilahy...
♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo antenimiera roa. Lahadinika lehibe amin'izany ny fifidianana ireo ho solontenan'ny parlemanta eny amin'ny HCC... ♦ Hohamafisina indray ny sazy ho an'ireo tsy manaraka fepetra sakana amin'ny Covid-19... ♦ Mpampianatra iray no voakasin-tanana omaly teny Ankatso, nahazo fahafahana ireo mpianatra 03 eny Vontovorona...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco