Alakamisy 21 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12

♦ Hiverina hivoaka any an-dranomasina anio alina na rahampitso maraina, any amin'ny faritry ny morontsirak'i Melaky ny rivodoza Eloïse. Ana'arivony ireo tra-boina naterak'izany.... ♦ Tsy afaka ny hangina intsony isika hoy ny Governoran'ny Faritra Analamanga fa be loatra ny lainga afafin'ny mpanohitra ka tsy maintsy arovantsika ny fitondrana sy ny ezaka maro efa ataony hampandrosoana an'i Madagasikara...

♦ Nihena be ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Mampikony no nisy ny ivony tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Melaky izy rahampitso... ♦ Miandrandra fitoniana maharitra eto amin'ny firenena amin'izao fanombohan'ny fotoam-piasan'ny Antenimerandoholona izao ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...

Nihena ny herin'ilay rivodoza Eloïse, tany amin'ny Distrikan'i Maroantsetra no nisy ny foibeny androany tamin'ny 04 ora maraina. Hamakivaky an'i Sofia sy i Boeny ny sisan-drahona miaraka aminy anio tontolo. Rahampitso no tombanana hivoaka an-dranomasina io rivodoza io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...