♦ Handray an-tanana ny fanampiana ireo olona avy any atsimo tonga eto an-drenivohitra mba hihazo ny faritra nosafidiany ny mpitondra fanjakàna... ♦ Nisy nivarotra tamin'ny vahiny ny ampahany amin'ny tendrombohitra Ambohitrandriananahary. Fahaverezan'ny kolontsaina malagasy ny famarotana ity vakoka manan-tantara ity...
♦ Miantso ny loholona vaovao lany tamin'ny 11 desambra lasa teo ny filohan'ny Antenimieran-doholona mba hiandry ny fotona ara-dalana voafaritry ny lalana vao hikitika ny ao anatin'izany lapa izany... ♦ Manentana ny olona tsy ankanavaka eto amin'ny Faritra Analamanga, hanaja ny fepetra ara-pahasalamana tsy hiparitahanan'ny valan'aretina ny ao amin'ny Fitantanam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga...
Alakamisy 14 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco