♦ Hankalazaina anio ny andro manerantany ho an'ny radio. Maharaka tsara ny fivoaran'ny fiaraha-monina ny radio, hoy ny UNESCO... ♦ Namotsipotsitra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny famotsorana an'i Herman Rakotomalala ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Nosokafan'ny Filohan'ny repoblika omaly ny tsena mora sy ny kaly tsinjo... 

Sabotsy 13 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10

Namotopototra ny tena marina tamin'ny fisamborana sy ny fanafahana an'i Hermann Rakotomalala tany Toliara androany ireo Fiaraha-monim-pirenena miisa sivy. Nambaran'izy ireo tamin'izany fa ny Governoran'Atsimo Andrefana no tao ambadiky ny fitoriana ity Filoha lefitry ny KMF/CNOE ity...

Mikisaka any amin'ny faritr'i Menabe ny tsy fahampian'ny rano enti-mamokatra noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana. Misedra fahasahiranana noho izany ny mpamboly ka anairan'ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha any amin'izany faritra izany ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olana...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...