14 aprily 2024 — Alahady Fahatelo Fankalazana ny Paka — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
Zava-dehibe ny fifantohana sy ny fihainoana. Voalaza ao amin'ny Lioka 6, 40 : "ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tsara ofana ihany no toa ny mpampianatra azy". Anisan'ny fampianarana manan-danja atoron'ny Baiboly ho an'ireo mpianatra, hanampy azy hiatrika ny ho aviny dia ny fahaizana manara-dalàna. Mila mametraka lalàna ho an'ny tenany ny tsirairay. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
13 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)
Izao no voalaza ao amin'ny kolosianina 3, 23 : na inona na inona ataonareo dia tontosao amin'ny fo tokoa, toy ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy aman'olona. Dingana tsy maintsy lalovana amin'ny fibeazana ny fianarana mba hanomanana ny ho avy. Izay rehetra mianatra dia tokony hitombo amin'ny maha-olona feno azy : vatana, saina, fanahy, fitiavana, finiavana, sitra-po... Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco