21 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
Misy voka-dratsy miantraika amin'ny vatana ny fandraisana zava-mahadomelina : miharatsy ny torimaso, aretin'andoho, miadana ny fofonaina, maloiloy sy te handoa, mora tezitra kely , mahatsapa mavesatra eo amin'ny sandry sy ny tongotra, mangidihidy ny vatana na mahatsapa mafana ny hoditra. Rehefa midoroka loa ny rôrô dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny vatana sy ny saina... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
20 febroary 2024 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Ny tanora no tena lasibatr'ity rôrô ity, nefa na ny ankizy 12 taona koa aza efa maro no mandray azy ; ny sasany efa lasa miankindoha tanteraka mihitsy. Maro ny voka-dratsin'ny zava-mahadomelina rôrô : manafika ny atidoha izy ary mahatonga fahafinaretana maharitra 45 segondra, mikorontana ny fomba fisainana, fanina, mety tsy hahatsiaro tena kely sy matetika... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco