13 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

Manana filàna fototra maro ny olona mba tena hivelatra amin'ny maha-olona azy manontolo : maha izy feno, ho hita sy hajain'ny olona ary hitokisana,  finakaviana sy namana tia ary hotiavina, filaminana afa mitsinjo ny ampitso, filàna fototra (sakafo...). Amin'ireo anefa dia tsy mbola tanteraka akory lafiny ara-tsakafo sy ny fananana trano ary ny fandriam-pahalemana.  Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

12 desambra 2023 — Talata, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

Ny toe-tsaina teo amin'ny Ntaolo milaza hoe "izay adala no toa an-drainy" dia ahatsapana ny hetaheta sy fahalinana amin'ny fivoarana na ny tsaratsara kokoa. Efa  antaonany maro nanomboka tany amin'ny 1980 tany ho any no nahatsapana ny firohotana makany an-tanan-dehibe fa any hono no misy asa, any no mora tadiavina ny vola anefa tsy izany no misy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...