11 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)
Miaro mandrakariva ny vahoaka sy ny ankohonana miantehitra Aminy Andriamanitra ka nahavaky vava ny mpanao Salamo hoe : sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny, sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany! (Sal 33; 12; sal 44; 15). Fototra niorenan'ny Tantaran'ny vahoaka Hebrio ny nahitàna an'Andriamanitra nanafaka azy noho ny fangejana nataon'ny Ejipsiana ka nanirahany an'i Moizy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
10 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
Reharehan'Israely, vahoaka voafidy, ny fananany Andriamanitra tsy lavitra fa mandray anjara lehibe amin'ny fiainan'izy ireo araka ny hita ao amin'ny DT 4,7 : " fa iza tokoa moa ny firenen-dehibe hanana Andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an'ny Tompo Andriamanintsika isaky ny iantsoantsika Azy?" Ny tantaram-pamonjena dia nanomboka tamin'i Abrahama Rain'ny mpino. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco