27 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Zary lasa mivadika ho toby be fanariam-pako hatrany hatrany ilay tanintsika, tranobe iombonana, hoy ny Papa. An-jatony tapitrisa taonina ny fako ariana isan-taona, ny ankamaroan'izy ireny anefa tsy mety levona : fako avy amin'ny isan-tokantrano, avy amin'ny asam-barotra, avy amin'ny fandravana trano, avy amin'ny hopitaly, fako elektronika, fako avy amin'ny indostria, fako misy poizina mahery  vaika... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

26 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tsapa, hita-poko, hita-pirenena fa maloto ny tontolo iainana ka miatraika amin'ny fiainan'ny rehetra. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana dia miteraka voka-dratsy samihafa amin'ny fahasalamana, indrindra fa ho an'ireo mahantra, noho ny fifohana setroka matevina avy amin'ny zavatra atainany ahandroan-tsakafo na amindroana, manafaingana ny fahafatesan'ny olona... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...