7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)
Adidin'ny Fanjakàna ny manohana ny orinasa osa ; ohatra amin'ny lafiny fitaterana. Fitsinjovan'ny Fanjakàna ny vahoaka ny fanohanana ny orinasa. Misy ny fifanekena mitandro ny zo hanana asa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Anatin'ny fifanekena no hametrahana ny fanajana ny zo sy ny hasina ary ny rariny ho an'ny mpiasa sy ny mpampiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
6 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco