Ny fiombonana tadiavina dia tsy resaka natao hitadiavana izay marimaritra iraisana fa tena fiombonana anatin'ny tena fahamarinana. Ny Eglizy katôlika izay amafisin'ny Papa Benoît faha-XVI dia manana ny fitaovana feno ho amin'ny femonjena, izany anefa tsy misakana ny hanomezana lanja izay harena ao amin'ireo fiangonana kristianina hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Manana lanjany manokana ho amin'ny fiainantsika zanak'olombelona ny fianakaviana satria io no fiaraha-monina fototra, izay mahasaropiaro ny fiangonana ; nisongadina izany tamin'ny fitantanana tamin'ireto Papa ireto ( Joany Paoly-II, Paoly-VI, Léon-XIII, François). Noho ny fihavanana ao amin'ny Kristy dia tokony hisy hatrany ny fifanajàna ao amin'ny ankohonana sy eo amin'ny mpiray tanàna... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
04 mey — Eveka tao Gaza i Sylvain, niaina tamin'ny taonjato fahefatra. Olona malemy fanahy sy tia fandriampahalemana izy. Ary dia notanany hatramin'ny fahafatesany ny naha pretra sy naha eveka azy.
Tsy amin'ny toerana voafaritra ihany no iasan'Andriamanitra, ary ny fiombonana dia miorina tsikelikely amin'ny fahalalana sy ny fiekena fa mandray ny fanomezan'Andriamanitra ihany koa ireo fiangonana hafa tsy katôlika. Mamohafoha faniriana sy ezaka ny Fanahy ao amin'ny mpianatr'i Kristy rehetra mba hanajan'izy rehetra ny fomba naraikitr'i Kristy hahatafaray azy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco