12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.
Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
12 avrily 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco