25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.
Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
25 avrily 2025 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)
24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco