21 aprily — Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.
21 avrily 2025 — Alatsinainy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 8-15)
20 aprily — I Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny taona 1158. Avy amin'ny fianakaviana fanta-daza tao Brabant izy, ary raha hampanambady azy an'i Simon, andriandahy tao amin'izany tanana izany, ny rainy dia nolavin'i Odette tamin'ny fotoanan'ny mariazy teo anatrehan'ny pretra, nandritra ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fifanomezan-toky.
Ny fihevitra diso novoizin'ny Refôrmasiôna ny hoe tamin'ny andron'ny jody tao amin'ny Testamenta Taloha, dia mpisorom-be sy ny levita no manolotra sorona sy mifona ho an'ny olona ary manao ny fanadiovana handraisan'ny olona famelan-keloka, FA ao amin'ny Eglizy nandalo fihavaozana dia ny kristianina dia mpisorona avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco