24 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)

Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny  zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Maria, tahaka ny nahateo anilantsika azy nandritra ny fiainantsika manontolo, dia ho eo anilantsika koa izy amin'ny ora hahafatesantsika. Ao amin'ny vavaka angatahantsika aminy, any amin'ny faran'ny Fiarahaban'ny Anjely, amin'ireny fotoana ireny isika dia mangataka aminy handray ny tanantsika sy hanampy antsika hitsangana ka hiazakazaka hanatona an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny fiainantsika. Hasivianandro fanomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahasivy.

23 mey 2023 — Talata, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...