Ny fifampizaràna dia endrikin’ny fiaraha-miaina sy firaisakina. Araka fampianaran’ny Eglizy katolika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy ao amin’ny laharana 328: ny harena na dia ara-drariny aza ny fanana azy, dia mitana mandrakariva ny hoe natao hoan’ny olona rehetra izy. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

31 mey 2023 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Ahoana no fomba tokony hiainan’ny Kristiana ankehitriny ao amin’ny Eglizy ny fifanampiana? Ho an’ireo akohonam-piainana kristiana teo aloha dia nisy fiombonana ary nitambarana aiza ny fananana rehetra mba hahafahana miahy ny mahantra. Ny tanjona dia ny hoe hifanampy mba tsy hisian'ny ho sahirana. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

30 mey 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...