Alahady 29 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)
Ny voka-tsoa miandry ny Kristiana amin'ny fanaovana adidy dia maro : mazava ho azy fa fitia izay valim-pitia, afaka miakna malalaka, mahatsiaro misy mpiahy sy mpiara-dia izany hoe tsy mahatsiaro ho irery, ary farany izay lehibe indrindra ary fototry ny fanantenana ihany koa dia ny fananana ny lanitra ho lova. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
Sabotsy 28 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)
Ny toe-panahy tsara hananana amin'ny fanantanterahana ny adidy : Toe-panahin-janaka, zanak'Andriamanitra isika noho izany dia mila fahatokisana sy manaiky hianteherana. Toe-panahin-tsakaiza izany hoe mahatoky, eo koa ny toe-tsana afaka mikarakara mba hisy fahavelomana sy fahalalana ary fahafahana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco