Tena ilaina ny fiaraha-monina mba ahatratraran'ny olona ny tanjony. Noho izany mila lanjalanjaina ny tena ilaina sy ny zava-dehibe. Tsy maintsy raisina ho zava-panahy ny fiainana anaty fiaraha-monina satria fifanakalozana fahalalana ao anatin'ny fahamarinana. Hoy ny Pape : Aoka tsy hatao fitaovana ny olona mba hanatrarana tanjona. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Talata 28 febroary 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Filàna fototra ho an'ny tsirairay ny fiaraha-monina. Ny antso ho an'ny olona rehetra dia ny haneho ny endrik'Andriamanitra Ray sy maneho an'i Jesoa Kristy zanany tokana. Sady antso manokana ho an'ny tsirairay no mahakasika ny olon-drehetra ka zary mahakasika ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina dia voafaritry ny tanjona kendreny sady manaiky fitsipika manokana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alatsinainy 27 febroary 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco