25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.
Zoma 25 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33
24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.
Ny Batemy dia Sakramenta fandraisana an-tanana hamantatra sy hiditra lalindalina kokoa amin'ny misterin'Andriamanitra. Izay ilay hoe "initiation" hoy isika fa amin'ny ankapobeny, ny Batemy dia sokajiana ao anatin'ny Sakramenta firosoana ho kristiana. Ny rano izay isan'ny maha-Batemy ny Batemy no anisan'ny mahatonga azy hanome fiainana. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco