25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.
I Jesoa, Mpiandry ondry tsara, no nanorina ny Eglizy ary nataon'ny rafitra antanatohatra izany fa tsy demôkratika. Ny Papa dimbin'i Piera no Filohan'ny Eglizy sady Vikeran'i Kristy. Ny Eveka izay dimbin'ny apôstôly no Mpiandry Ondry miara-miasa akaiky amin'ny Vikeran'i Kristy. Ny Pretra dia mpanampy mhatoky sy mahefa indrindra ho an'ny Evekany. Ny Diakra dia lehilahy feno fahendrena. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.
Alahady 25 desambra 2022 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
24 desambra — I Masimbavy Adèle na i Adela de Pfalzel dia niaina tamin'ny taonjato fahavalo. Ny mpanjaka Dagobert II no rainy. Nanambady an'i Odon izy ary niteraka an'i Albéric. Io Albéric io no rain'i Grégoire d'Utrecht, ilay mpianatr'i Masindahy Boniface.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco