Tsy natao hotompoina ny Razana fa mendrika ho hajaina kosa fa nampita sy niaro ny Aina ho an’ny taranaka rehetra aty aoriana. Zava-dehibe ny fanajàna ireo Nodimandry rehetra sy ireo Razana efa nialoha làlana any ankoatra.
06 nôvambra — Niaina tany amin'ny taonjato fahenina tany ho any i Masindahy Léonard. Teraka tao amin'ny faritanin'i Gaule izy tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Anastase izay nanjaka tamin'ny taona 491 hatramin'ny taona 518. Miaramila manam-boninahitra tao amin'ny tafiky ny mpanjaka Clovis i Léonard.
Alahady 6 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-38
05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco