Alahady 3 jolay 2022 — Alahady fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-12. 17-20

02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.

Ny anjara voatokana ho an'ny daholobe sy ny tsirairay ny amin'ny haren'ny tany dia hitady ny soa sy ny tsara. Efa hatramin'ny namoronana izao tontolo izao no nomena andraikitra ny olombelona mba hanankinana ny fitantanana ny tany sy ny hareny. Araka izay voalaza dia mba hanjaka ao amin'ny tany amin'ny alalan'ny vokatra ao aminy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 2 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 14-17

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...