Alarobia 8 septambra 2021 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-23
Rehefa niantso ny Apostoly i Jesoa Kristy dia hoy izy : "manaraha ahy". Tamin'ny lalana nanarahana an'i Jesoa Kristy no nisy ny votoatin'ny antso, niantefa tamin'ireo mpanara-dia azy. Andriamanitra rehefa miantso dia izay fantany sy hitany no antsoiny , noho izany dia mila manao ezaka isika manakaiky azy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 7 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19
Ny olomasina sy ny olontsambatra rehetra dia azo alaina tahaka amin'ny fanaovana safidy na famantarana ny antso. Ohatra azo raisina : Abrahama, Masina Maria, Md Paoly, ary Moizy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco