Raha vao miteny hoe "manana ny maha izy azy" matetika dia toa manondro olona malaza izay. Ny tanjona anefa dia ny mba hananan'ny olona toetra : hijoro, hahaleotena, hanana hevitra manokana fa tsy hanaraka ny hafa, ho matotra. Fehiny mba ho olom-banona amin'ny lafiny rehetra. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Zoma 9 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23
Mibaiko ny fiainana ny finoana ary mamaritra ny maha izy ny tena. Fiaraha-miaina amin'Andriamanitra ny finoana ka tsy maintsy hajaina ny didiNy. Ny kristiana dia mino fa any an-tranon'ny Ray, misy toerana omanin'i Kristy, Izy irery no lalana marina mankany amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alakamisy 8 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco