Alatsinainy 21 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5
Ankoatry ny fanabeazana dia ny fitiavan-dreny no isan'ny fototra mampirindra ny fiainam-pianakaviana. Afaka miteny sy mananatra am-pitiavana ny zanany ny reny. Mila manjaka ao amin'ny fianakaviana ny toetsaina kristiana mba hampivelatra ny fifandraisana misy eo amin'ny tsiirairay. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Alahady 20 jona 2021 — Alahady faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40
Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco