Fanamby ho an'ny Radio Don Bosco, hatramin'ny nisiany tamin'ny 1996, ny hiara-dia amin'ny olona amin'ny toerana rehetra misy azy. Onjam-peo naorin'ny salezianin'i Don Bosco, manana tanjona ny hitory ny Vaovao mahafaly sy hanabe ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora.

Tsy maintsy mikendry sy mamorona ny asa fivelomany ny tsirairay, tokony hirindra ireo asa samihafa ireo ka ny Fanjakàna na ny tompon'andraikitra voafaritra no manao ny fandrindrana. Tanjona ny tsy hisian'ny asa mifanitsaka na eo aza ny fahalalahana hifaninana ary modelin'izany ny fiainan'ireo mponina eny amin'ny Akamasoa. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Zoma 25 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4

Zava-dehibe ny fihariana sy ny fananana asa fivelomana araka ny lamina voajanahary. Ny asan'ny olombelona no iderany sy anomezany voninahitra an'Andriamanitra. Tsy mety ny filàna tombotsoa manokana sy ny kolikoly ary ny fanararaotana mbamin'ny fanomezana tombondahany ny sasany eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...