I Kristy no ivon'ny tantaram-pamonjena sy Mpamonjy tokana ; Izy no nanatanterakany Fampanantenana rehetra. Izay mino an'i Kristy no atao hoe Kristiana, tsy anarana entina fotsiny anefa izany fa toe-piainana mihitsy, tsy ankosotra fa mamolavola ny maha izy ny tena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alarobia 7 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7
Mila saina mandinika sy mandanjalanja fa tsy sodokan'ny fampisehoana na kabary tsara lahatra, indrindra fa ny zavatra ara-panahy dia ilàna ny finoana ka tsy tokony afangaro amin'ny tombontsoa ara-nofo. Valin-tenin'ny olona tsirairay araka ny feon'ny fieritreretany ny finoana, valin-teny an-kalalahana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Talata 6 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco