Araka ny lalànan'ny fahatongavana ho nofo dia mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra. Isany maha izy ny tena ny fiainam-pinoana manompo an'Andriamanitra. Olona mahatoky tsy mivadika no atao hoe manana ny maha izy azy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Ny kolontsaina sy ny riba : fomba amam-panao nentin'ireo zokiolona nandrindra ny fiainana. Ankehitriny dia mifangaro ny fomba sy ny finoana. Ny fahasimban'ny kolontsaina sy ny riba dia mahatonga ny  olona ho lasa tsy matahotra sy lasa sahisahy. Tsy misy fiaraha-monina milamina sy mandroso raha tsy misy zavatra atahorana. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Ny tontolo iainana : samy miaritra ny voka-dratsin'ny fahasimban'ny tontolo iainana izao tontolo izao ankehitriny ; anefa samy tsy manana soritr'asa mazava hamerenana izany na dia ampahany aza. Ny zava-boary dia velona tsy misy olombelona fa ity farany no tsy velona raha tsy misy zava-boary. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Tsy velona irery ny olona fa mila fiaraha-monina itomboana ka hahalalany ny tenany. Mamolavola ny fiaraha-monina satria ianarana ny fiainana, Mety tsy ho tsara avokoa izay hita eo amin'ny fiaraha-monina fa izay no ilàna ireo herim-panahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...