I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.

Satana dia isan'ny fahavalon'ny vavaka, ary tsy maintsy resena. Mila mahay manavaka ny asan'ny fanahy isika ; misy telo dia ny fanahintsika dia ny sitrapo izay, ny fanahy ratsy dia ny satana, ary ny fanahy tsara izay vokatry ny fanahy masina. Fomba iray hiadiana amin'ny fakam-panahy ny fitokanana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra fa tsy hamela antsika ho resin'ny fakam-panahy Izy... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

I Laura Vicuña, Olontsambatra no tsaroana ny 22 janoary. Teraka tao Santiago (Chili) ny 05 aprily 1891 i Laura Carmen Vicuña. Miaramila ny rainy, mpanjaitra kosa ny reniny Mercedes Pino no anarany. Vao teraka kely i Laura dia tsy maintsy nifindra monina tany Temuco izy mianakavy.

Ny hakiviana sy ny alahelo dia isan'ireo fahavalo tsy hafahana mitolona amim-bavaka. Misy ny hafaliam-panahy ary misy ihany koa ny mifanohitra amin'izany dia ny fahoriam-panahy. Ny Alahelo vokatry ny fibebahana sy fandinihana ny fijalian'ny Tompo dia miteraka hafaliana, vokatry ny fahasoavana noraisina. Ny hafaliana vokatry ny zavatra ratsy natao dia zary alahelo... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...