Ny mpivavaka marina dia tsy mba mamono ny vavaka, fa manao ny vavaka ho toy ny jiro mirehitra eny an-tanany mandrakariva, mampahatsiahy antsika ireo virijiny hendry, ary mampahatsiahy ny nanomezana ny jiro mirehitra tamin'ny andro nanaovana Batemy antsika. Samia mizatra mitodika tsy tapaka amin'Andriamanitra na amin'ny mora na amin'ny sarotra fa izany no fivavahana marina... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

I Masindahy Jean Bosco no tsaroana ny 31 janoary. Teraka tao Becchi tanàna kely tao Castelnuovo d'Asti tamin'ny aogositra 1815 i Jean Bosco. Mbola kely, vao roa taona monja izy no maty ny rainy ka ny reniny no nanabe azy telo mirahalahy.

Ireo Olomasina rehetra dia samy nandalo ny "lohasaha maizina" avokoa, toa very fanantenana aza indraindray izy ireny, nefa tsy kivy. Tsy kivy tsy mihemotra fa mandroso hatrany. Mila faharetana ny vavaka, mila herim-po ; aza miady irery fa ndrao resy, fa antsoy ny mponin'ny lanitra, hankahery sy hanohana indrindra ny Fanahy Masina sy ireo Anjely mpiambina antsika... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

I Masimbavy Martine no tsaroana rehefa 30 janoary. Teraka tao Roma avy amin'ny fianakaviana fanta-daza i Martine. Intelo ny rainy no "Consul" ary niavaka tamin'ny finoana velona sy ny fitiavana mivaivay nananany. Rehefa maty io rainy io dia namidin'i Martine avokoa ireo fananany ary ny vola azony dia nentiny nanaovana asa fitiava-namana sy famindram-po ho an'ireo mahantra.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...