Rehefa tena mivavaka isika dia tsy lavitra antsika ny Olomasina.  Ny fampianaran'ny Konsily no milaza ao amin'ny Foto-pampianarany momba ny Fiangonana fahazavan'izao tontolo izao, laharana faha-50 manao hoe : satria manko eo am-pahitana ny fiainan'ireo nitozo nanaraka an'i Kristy isika, dia tojo antony manatombo hitadiavany an'ilay Tanàna ho avy... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

11 desambra 2024 — Alarobia, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

Rehefa miventy ny fiekem-pinoana isika dia voalaza ao any hoe " izaho mino ny fiombonan'ny Olomasina", noho izany dia misy tokoa ireo Olomasina. Ny Eglizy katôlika dia nanaja azy ireny, fa amin'ireo karazam-pivavahana maneran-tany dia maro no manaja ny Olomasina toy ny fivavahana Jody, Silamo, Prôtesanta, Ôrtôdôksa saingy misy maha samy hafa azy ny fomba fivavahana... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

10 desambra 2024 — Talata, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo— Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...