3 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)
Ny boky ny Asan'ny Apôstôly no mitantara ny fivoaran'ny fiangonana Kristiana. Fandresena ho an'Andriamanitra ny fitsanganan'i Jesoa Kristy ho velona, ary fanombohan'ny fanatanterahana fanjakan'Andriamanitra. Nitarika ireo Jody ny fampianarana nataon'ny Apôstôly. Ny sakramantan'ny Batemy amin'ny anaran'i Jesoa no famantarana maneho ny fidirana ho Kristiana. Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
2 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
Anisan'ny toetra iray mampiavaka ny vavaka ataon'i Jesoa ny fitokanany ho irery. Tsy hoe mandositra an'izao tontolo izao izay mivavaka mangina sy mitokana fa rehefa mitokana amin'ny toerana mangina isika amin'ny vavaka ataontsika dia maheno feo miafina any anatin'ny fontsika lalina indrindra any aza. Ny vavak'i Jesoa no toerana ahatsapantsika fa ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra ary miverina any aminy ihany. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco