12 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tamin'ny fotoana nifampitoloman'i Jakoba tamin'Andriamanitra dia izy irery no teo ; araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy, tamin'iny alina iny ihany dia nitsangana i Jakoba : nalainy ny vadiny roa sy ny mpanompony roa vavy ary ny zanany 11 lahy, dia nita teo amin'ny fitàna an'i Jakoba izy... Ny vavaka dia tolona ary fandresen'ny olona manam-paharetana. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
11 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)
Voatery nandao ny tanindrazany i Jakoba noho ny fifandirana lava teo amin'ny sy ny rahalahiny, ary mba hakany vady any amin'ny tanindrazan-dreniny ; nahomby tamin'izay rehetra nataony izy. Azony ho vady ny zanak'i Labana na dia nanompoany an'ity farany 14 taona aza, mba ahazoana ho vady ny zanak'i Labana dia nampanaovin'io fanompoana fito taona izy, niampy fito taona hafa. Azon'i Jakoba avokoa ny vady sy ny harena... Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco