Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...
7 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Hoy ny Papa François : miseho amin'ny asa ny vavak'i Abrahama. Ny mivavaka dia mandrakitra eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny tantara ny fiombonana amin'Andriamanitra, mankalaza ireo fahasoavan'Andriamanitra efa natolony. Ny vavaka ataontsika dia tokony hitarika antsika handray ny hafa : ireo tsy manan-kialofana ireo mitsoa-ponenana,izay zava-mitranga manahirana ankehitriny. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
6 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco