Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny teknôlôjia dia misy lafiny tsara ho an'ny fanabeazana. Porofon'izany ny fananan'i Madagasikara, ankizivavy miisa telo solontena amin'ny fanehoana tanteta maneran-tany, mikasika ny fikirakirana teknôlôjia. Misy fifandraisany amin'ny zon'ny ankizy anefa ireny fahombiazana ireny. Misy 10isa ny zo fototra ho an'ny ankizy : zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, zo hotsaboina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

 Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay misy eo amin'ny olona manana olana amin'ny fanodinana ny siramamy ao anatin'ny vatany. 14 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny diabeta, izay daty mifanandrify amin'ny nahaterahan'ilay Mpitsabo teratany Kanadiana, nahita ny "insuline". Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ny taona ity dia : Ny diabeta sy ny fahatonian'ny saina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Kihon-dalana tsy azo iodivirana amin'izao fotoana izao ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala na ity atao hoe "RPF" mba ahafahana miaro ny tontolo iainana, iantohana ny famokarana maharitra. Ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala izay hanaovan'i Afrika ezaka manokana ka 100 tapitrisa Hektara no ezahana hotratrarina amin'ny taona 2024. Firenena 10 no nametraka fanamby amin'ny RPF ka i Madagasikara manokana namatraka tanjona 4 tapitrisa Hektara amin'ny taona 2030. Misy ny asa atao momba izany isan'izany ny any avaratry ny nosy. Tsy very maina ny fiofanana nataon'ny tantsaha tao Antsiranana faharoa tao, iadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fampanjariana ny famokarana.  Tafita ny hafatra tamin'ny fampiofanana samihafa narahan'ireo tantsaha ireo. Efa hita taratra ny asa vita ho an'ny ao Antsiranana faharoa ao amin'ny Kaominina Sajoavato, sy ny ao amin'ny fokontany Berafia Kaominina Andrafiabe. Manomboka mamerina ny tontolo manodidina ny ala ny mponina, tetik'asan'ny fikambanana UNION MATANJAKA iarahany amin'ny Réseau SOA. Niara-niasa tamin'ny fikambanana TOSIKA izy ireo tamin'ny fanomezana fiofanana ny tantsaha. Ny FAO amin'ny alalan'ny fandaharan'asa FFF FAO, no miara-miombon'antoka amin'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala "RPF" ao amin'ny distrika Antsiranana faharoa izay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...