Ny voambolana "teny" dia toa ny "aina", porofon'izany ilay fomba fiteny hoe : manapa-teny manapak'aina ; amin'ny maha kristiana ihany koa : ny teny dia tao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia teny, izay nahariana an'Andriamanitra an'izao tontolo izao. Ny teny dia fitaovana entina mifandray, afahana mifanabe. Ny malagasy dia anatin'ny firenena iray ary ampiraisin'ny teny ; ny teny malagasy dia harena, mitahiry kolontsaina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Misedra olana ny tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo anatin'ny faritry ny kaominina Antaniditra sy ny Kaominina Analasoa ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Mangataka ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha ireo ny Pretra sy ny mpikamban'ny Birao mpandrindra ny Justice et Paix ao amin'ny Distrika misionera Amboasary-Gara, Diôsezy Moramanga...
Ao anatin'ny vatana tomady no misy ny saina matsilo. Misy ny mari-drefy ara-pahasalamana manamarina ny fahasalaman'ny vatana toy ny tahan'ny tosi-dra [8-12], eo koa ohatra ny lanja ara-pahasalamana na ny IMC [18,5 - 25], eo ihany anefa ny fitiliana. Rehefa manana vatana salama ny vahoaka dia mandroso ny firenena. Misy toetra azo anamarihana ny hoe manana saina matsilo : tia karokaroka, afaka miaina ny zavatra misy, fahafahana mipetraka amin'ny toeran'ny hafa... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco