Maro ny olana fa ireto no matetika mitranga amin'ny fiainam-panambadiana : ny fanatanterahana ny asa aman-draharaha, ny ara-bola, ny fanabeazana ny zanaka, ny tsy fahaizana miresaka na mifanakalo hevitra ary indrindra ny eo amin'ny lafiny ara-pananahana (firaisana ara-nofo, fahasarotam-piaro) ka mahatonga ny fisarahana. Na eo aza izany dia tokony tsy hiafara amin'ny fisarahana izany ny mpivady satria Sakramenta ny Mariazy ary koa mila mifampatoky ka miara-mikaroka vaha-olana am-panajàna : tsy manao teny mandratra, tsy miresaka ny lasa loatra, mila mahay mifampihaino sy manaiky ny tsy fitoviana na ny fahasamihafana, manana fijery mihabo sy tsara Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tsy ny vehivavy ihany no mety ho tratra ny "homamiadan'ny nono" fa misy ihany koa ny lehilahy saingy vitsy anisa. Ny fitsirihana sy ny fitilina no tena afahana mamaritra ny fahazoana io aretina io. Ny homamiadana dia fitomboan'ny isa sy habe tsy araka ny tokony ho izy ny sela ao anatin'ny vatan'ny olona iray. Famantarana fa mety ho voan'ny kanseran'ny nono: fiovana eo amin`ny haben`ny na ny endriky ny nono; ny fisehon'ny "dimples" na miforitra amin'ny hoditry ny nono; nitombo ny mena, ny fivontosana, na ny hafanana amin'ny nono iray; mangidihidy maharitra; nono mivadika, izany hoe mivadika ao anaty...

Ny aretina "drépanocytose" dia vokatry ny tsy fahatomombanan'ny sela mena ao anatin'ny vatan'ny olombelona iray. Ny olona mararin'ny "drépanocytose" no atao hoe "drépanocytaire". Ny manam-pahaizana manokana afaka mandray io aretina io dia ny sampandraharaha "hématologie". Ny endriky ny sela mena ho an'ny olona mararin'ny "drépanocytose" dia sahala amin'ny ila volana, fa tsy boribory ary mafy sy henjana ka misy fahasarotana ny hikorinan'ny ao anaty lalan-dra. Ny "drépanocytose" dia manaranaka ; 10% amin'ny malagasy no "drépanocytaire"...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...