Rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina toa izao dia isan'ny taova mora andairan'ny aretina ny orona. Ao anatin'ny orona dia ahitana kambon'orona izay ilaina, ary misy karazany telo ireo : kambon'orona ambany, ampovoany ary ny ambony. Misy lavaka miisa roa amin'ny faritra ambonin'ny orona, ireo dia mampifandray ny orina amin'ny tenda sy ny sofina. Ahitana retsika mifandray amin'ny atidoha mba ahafahana mandray sy mamantatra fofona. Ny asan'ny orona dia ifohana rivotra.
Ilàna finiavana sy fahaizana ny mifanakalo hevitra. Manatsara ny fifandraisana eo amin’ny mpivady izany satria ny fifanakalozan-kevitra no ahafahan’ny andaniny sy ny ankilany mifankafantatra, mifankahazo, mifampatoky bebe kokoa hatrany. Ny fifanakalozan-kevitra ihany koa no ahafahana mifampizara ny fihetseham-po sy mifehy izany. Fifanakalozana mivantana, misy hafanana sy hafaliana no entanina araka izay azo atao. Eto dia manamafy ny fomba fiteny Malagasy : “Mpifankatia tsy mifaramafara hono, very ny androtokom-pitiavany, ady no farany”. Fandaharana "miaina sy mitia"
Ny herisetra dia misy endriny maro toy ny risoriso ihany. Misy ny herisetra amin'ny vatana, amin'ny saina ary amin'ny fanahy ihany koa. Miteraka fahasimbam-piainana ireo herisetra rehetra ireo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny zava-mahadomelina dia tsy ambana ho an'ny fahasalamam-bahoaka intsony fa efa loza mihatra mihitsy. Ny ady amin'ny fandraisana zava-mahadomelina dia fisorohana ho an'ireo mbola tsy tafiditra ary ihany koa fitsaboana ireo efa mpandray. Manimba ny fahasalamana sy mampitotongana ny fiainan'ny olona iray ny fandraisana zava-mahadomelina. Ny ady amin'ny zava-mahadomelina dia miainga amin'ny fianakaviana mimpaka eny amin'ny sekoly, ny fikambanana, ny fiangonana, ary ny fiaraha-monina, indrindra ny eny amin'ny arabe. Fandaharana "amperala miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco