Ny fitiavako ny tanindrazako, mamelona ny ambom-pom-pirenena. Ao anatin'ny iray volan'ny teny malagasy isika amin'ity volana jona ity. Tanjona ny hanentanana ny rehetra mba hanaja ny fitsipika amin'ny fampiasana ny teny malagasy na an-tsoratra na am-bava. Ny teny dia manan-danja ary masina ; isika malagasy dia manana fiteny maro. Ny tanindrazana dia ilay toerana ivezivezen'ny teny hampiasain'ireo olona miresaka, noho izany dia mifamatotra ny teny sy ny tanindrazana. Ny teny dia mihaina : miforona, mivelona, miova, maty.
Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo.
Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.
Mila ampahafantarina ny tanora ireo voka-dratsin'ny zava-mahadomelina : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina. Mila resen-dahatra sy entanina ny tanora tsy hiroso amin'izany. Tsy maintsy mandray an-tanana ny fitaizana sy ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Manana ny tandrifiny ihany koa ny haino aman-jery, ny sehatry ny fampianarana, ny fikambanana samihafa ary ny fiaraha-monina : mifampiresaka sy manentana ny tanora hanaja ny vatany satria tempolin'Andriamanitra ny tenany.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco