Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.

Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...

Ny raboka "tuberculose" dia aretina azo avy amin'ny otrik'aretina "bacile de Koch" na BK, izay haparitaky ny marary, tsy voatsabo, eny amin'ny rivotra iainana. Ny faritra mety hisehoany dia ny aretina amin'ny endrika maro: ny ao amin'ny tratra, ny anaty  avokaoka na ivelany, ny amin'ny hoditra, taolana, ny atodi-tarimo. Fambara : fisian'ny kohoka 2 herinandro, manavy, tsemboka amin'ny alina, malain-komana, mihamahia, rera-dava, marary ny tratra, misy rà ny rehoka. Enim-bola eo ho eo ny faharetan'ny fitsaboana izay maimaimpoana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...