Ny diabeta : tranga ahitana fa ambony ny fatran'ny siramamy amin'ny rà, raha miohatra amin'ny tokony ho izy, vokatry ny faharerahan'ny sarakaty, izay mahatonga ny fihenan'ny famokarana "insuline". Mety hananosarotra ho an'ireo vehivavy diabetika ny hahazo zanaka raha tsy voazaha sy harahi-maso tsara. Ireto fambara : ho an'ny latsaky ny 30 taona dia mipipy matetika, misotro rano lava, mihamahia, reraka be ; ny 40taona no miakatra kosa dia ny sarakaty no matetika tsy mamokatra insuline tsara intsony. Eran-tany dia misy olona matin'ny diabeta isaky ny 7minitra...
Papa Bio na antsoina hoe Ranaivoarisoa Basile, mpikaroka sy mpisehatra amin'ny fambolena biôlojika. Tantsaha mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra tsy nitsaha-nikaroka mba hampalavorary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra amin'ny alalan'ny famokarana biôlôjika, miainga avy amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
♦ IPS : (International Primatology Society) Fikambanana iraisam-pirenena ivondronan'ireo mpikaroka momba ny rajako sy ny varika, manerantany, efa nisy telopolo taona izao... ♦ Fanaloka : biby antsoina koa hoe ridarida na ambolaolo, mirefy 455mm hatramin'ny 495mm ny vatrany ary 140-220mm ny rambony, milanja 1,6 hatramin'ny 2.1kg izy... ♦ Ny rivo-doza : Rivomahery miforona noho ny tsindrin'ny atimôsifera sy ny hafanan'ny ranomasina, mety mitondra tafiotra sy oram-baratra...
♦ Fitsaboana matianina : fitsaboana mampiasa fitaovana manana kalitao tsara, tantanin'ny mpitsabo manao fiofanana isam-bolana, ary mampiasa fanafody tsara kalitao... ♦ Fanafody tsara kalitao : vita fanandramana sy fanaraha-maso araka ny fenitra erôpeana, tsy miova endrika, tsiro...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco