Mila manaiky ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpanabe hoe tsy fidiny izao zavatra mitranga izao. Mila misaotra an'Andriamanitra ihany koa hoe mbola velon'aina afaka mampita fahalalana amin'ny mpianatra. Tsy tokony hohadinoina fa raha tsy mahay ny ankizy, tsy vahaolana ny sazy ; ary indrindra indrindra mila mahay mandray lesona amin'ny zava-mitranga. Mila mahery, mila manam-pinoana sy fanantenana.
Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)
(07-05-2020) Fanabeazana ho olom-pirenena vanona ho raiamandreny sy zanaka tompon'andraikitra.
Ireo fomba samihafa entina miatrika ny fihibohana ao an-trano, na eto an-toerana na any ivelany, manerana izao tontolo izao, dia tokony heverina ho mahasoa sy manampy antsika rehetra, izay maniry fivorana hatrany.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco