Maro ny olona tratra ny "tsy fahampian-tsakafo" noho ny sondrom-bidim-piainana ; tsy ny zaza sy ny ankizy ihany no mety ho tratran'ity tranga ity fa ny olon-dehibe ihany koa. Ny sakafo ampy : ahitana foto-tsakafo, ahitana ihany koa ireo singa ilain'ny vatana toy ny prôteina, prôtida, gliosida, lipida, sira mineraly sy vitamina ; ireo notanisaina ireo dia azahoana hery fiarovana sy hery fanorenana. Sakafo ahitana ireo singa : hena, trondro, atody, ronono, voamaina, vary...  Ny karazana tsy fahampian-tsakafo : "Kwashiorkor" izany hoe ireo tsy ampy protide ka lasa mibinabina, fotsy hatsatra, tsy mavitrika, malaina misakafo, mivonto ny tongotra, tsy mitombo, be kibo, somary mena volo ; ny faharoa dia ny "Marasme" : ilay mahia, ireo noana lava... 

Ny 04 febroary no andro maneran-tany ho an'ny ady amin'ny homamiadana. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fianaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voan'ny homamiadana daholo, fa ny mateti-pitranga dia ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ary ny "prostate". Fambara : Fivontosana, mihareraka, fanaintainana, mandeha ra ; tsy misy afatsy ny fanaovana fitiliana anefa no hamantarana ny tena zava-misy. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Fizaran-taona tsy maintsy misy ny fahavaratra isan-taona, misy foana ny tranga toy ny traboina sy ny aretina samihafa. Misy ireo aretina miseho rehefa fahavaratra ka isan'ireny : aretin-kibo vokatry ny fahalotoan'ny rano fampiasa sy fisotro ; eo koa ny areti-maso izay mora mifindra tokoa amin'ny alalan'ny fifampikasoana, aretina vokatry ny tsimok'aretina n'a otrik'aretina ; ny lagaly izay aretina mahazo ny hoditra vokatry ny loto ihany koa. Ho fisorohana ireny aretina rehetra ireny dia entanina ny rehetra mba hampiasa rano azo antoka, hanaja ny fahadiovana, ary hamonjy tobim-pahasalamana raha misy tranga tsy fahasalamana mampiahiahy...

Rehefa tery na voatsindry ny retsika siatika dia miteraka fanaintainana eo amin'ny valahana, izay mety ahazo ny lehilahy 35 hatramin'ny 55 taona na ny vehivavy avy niteraka. Ireo antony : fihetsika tsy nahiana, fafindisoana eo amin'ireo  taolam-pisaka kely amin'ny hazondamosina, fahanteran'ny hazondamosina, fahateren'ny fantsona kely ao anatiny, dona.  Ny retsika siatika dia retsika izay manome ny fahatsapan'ny ampahany amin'ny rantsam-batana ambany sy ny ampahany amin'ny fihetsiny: ahatsapana sy manetsika ny rantsam-batana ambany. Fambara : Marary ny valahana, tsy mahavita mihetsika, voly ny tongotra, fanaintainana tsapa amin'ny ratsam-batana ambany...

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...