Fady ary tsy azo atao ny manotra na manosotra fanafody manala fanaintainana amin'ny faritry ny lamosina raha toa ka marary io faritra io. Mialohan'ny handraisana fepetra mikasika izay fitsaboana hatao dia tokony ho fantarina mazava izay anton'ny mahatonga ilay aretina na fanaintainana. Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Saropady ny lamosina sy ny hazon-damosina. Mizara efatra ny hazon-damosina : ambony indrindra amin'ny faritry ny hatoka misy taolana 7isa ; ny faharoa dia ireo manandrify ny tratra misy taolana 12 isa ; manandrify ny valahana taolana 5 isa, ny farany ambany mifanohy amin'ny fitombenana, misy taolana miisa 9...

Ny donika sy ny bonibony dia mety hankarary ny sokajin'olona maro : zaza, olon-dehibe. Samy avy amin'ny tsimok'aretina avokoa no ahazoana ireo aretina ireo. Ny donika sy ny bonibony dia indray mandeha ihany no mitranga amin'ny fiainan'ny olombelona iray, ary mamela heri-fiarovana mandrakizay ao aminy izany aorian'ny fandalovan'ireo aretina ireo. Ny donika ratsy fanaraha-maso dia mety ahazoana takaitra : marenina, fahamombàna, fikorotanan'ny siramamy anaty vatana. Ny fisorohana azo atao : fanadiovana ny ati-vava. Ny ireo aretina ireo dia samy mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora. Ny fisehon'ny bonibony : mangirifotra madinika manomboka eo amin'ny tarehy vao miparitaka, fotoana fohy. Fambara : tarimo ao amin'ny hatoka...

Ny fanaovana fety voalanjalanja dia mitondra fahasalamana. Anatin'ny fety dia mahazo ny anjarany daholo ny vatana sy ny saina : hafaliana sy sakafo. Ny sakafo tokony hohanina amin'izao fety izao hisorohana ny aretina dia sakafo voalanjalanja, sakafo natoraly. Mila mitandrina  amin'ny sakafo hohanina ireo manana olana amin'ny : tosi-dra, diabetika, ireo manana olan'ny fo sy ny voa, ireo olona matavy loatra, ireo tsy mahazaka mihinana sakafo isan-karazany. Ezahana mba toerana madio sy mahazo rivotra tsara ny toerana hisakafoana. 

Ny kitrotro dia aretina tsy maintsy hanaovana fanambarana, sokajiana ho isan'ny aretina misy mamorifotra eny amin'ny hoditra. Ny fiatombohan'ny volana novambra teo no nirongatra indray ity aretina ity. Ny kitrotro dia aretina ateraky ny tsimok'aretina "paramyxovirus", ary mety ahazo ny zaza 6 volana hatramin'ny 5 taona fa mety hisy ihany ireo olon-dehibe. Ny fomba fifindrany : amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny rora na lelo. Fambara : tandomerina manomboka eo amin'ny tarehy, tasy fotsy anaty vava, manavy ary miakatra be ny hafanana, mitsoro ranin-delo, tarimo eo amin'ny tenda, malain-komana, mena ny maso, mikohoka, reraka...

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...