Andalam-pivoarana ny làlam-pihariana ovy ao Vakinankaratra hoy Andriamatoa Rakotomalala Filohan'ny làlam-pihariana Ovy any an-toerana.

Nahita fanafody biolojika hiadiana amin'ny "Chenille Légionnaire d'Automne" (CLA) ny Malagasy mpikaroka. Fanafody biolojika ahafahana mamono 100% ity karazam-panday mandrava ny voly katsaka eto amintsika tao anatin'ny toa taona. Bakteria tsy misy afa-tsy eto Madagasikara hita tany Vatomandry izy io.

MIkaroka ny fomba hampahomby ny famokaran,a ara-pambolena hoan'ny eny ambanivohitra ny FARMADA. Isan'izany ny fametrahana ny marika manokana hoan'ireo ivon-toera-panofanana mivondrona ao aminy. Tanjona ny hantsaràna ny tolotra momba ny fanofanana hoan'ireo ivon-toerana ao aminy. Fanadihadiana.

Mitaraina ny mpiompy noho ny fampiharana ny TVA amin'ny varotra katsaka amin'ny taona 2020. Hafa ny hevitry ny Fanjakàna... Vokatra ny letchis amin'izao fotoana izao,  mitady lalam-barotra hoan'ny vokatra tsara kalitao eto an-drenivohitra ny tanora. Arahatsika ato amin'ny fandaharana ny fanadihadiana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...