--- Toa mbola tena zatra ny lalan-dririnina amin'izao famaramparanana ny fotoam-pahavaratra izao isika Malagasy, raha atao indray mijery ny TOETRANDRO POLITIKA. Kisarisary efa hita sy re ary niainana ihany mantsy no mbola miverimberina sy mandrafitra ny VOLON’ANDRO POLITIKA ankehitriny. Dia ho gaga ve ianao mpihaino raha handre ny AROFANINA hanamafy ka hamantsika hatrany ny hazo mba tsy hampianjera ireo soa kely...tokony harovana mba tsy hidaraboka? Seza, fahefana, voninahitra...mbola tena badenina sy mamba noana tokoa ireo malagasy milaza ho mpanao politika, raha vao mahaino ireo. Ny hoe antoko politika koa moa eto amintsika maniry ohatry ny anana koa...

--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...

--- "Hisokatra ho an’ny rehetra tsy misy tambiny ary hoan’ny tombotsoan’ny Malagasy." Io no isany fanehoan-kevitra nentin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara taorian’ireo fitsidihana ofisily nataony tany Rosia sy Frantsa farany teo. Misokatra ho an’ireo firenena vonona hiara-hiasa aminy i Madagasikara. Io no foto-kevitra ara-diplomatika entin’ny mpitondra raha ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana. Miompana amin’ny resaka toe-karena, ara-tafika ary ny sosialy, amin’ny an-kapobeny, ny fitsidihana nataon’ny filoham-panjakana malagasy tamin’ireo firenena vahiny ireo. Ao ambadiky ny fiaraha-miasa eo amina firenena roa tonta anefa dia tsy maintsy misy ilay antsoina hoe : " samy mahazo sy miaro ny tombotsoa hoazy "...

--- Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka isany nankalaza izany isika teto Madagasikara. Filaharam-be nataon’ny fikambam-behivavy maro, arahina lahateny samihafa mazana no hetsika atao. Tsara aloha ny mampahatsiahy fa ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 mars ho andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka marihana isan-taona...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...