Tsapan'ireo vehivavy nanala zaza ireo fa silaky ny ainy no novonoiny, tsapany ihany ko a fa fihetsika mamoafady ny vitany, hany ka na izy latsa-panenenana na izy voan'ny aretin-tsaina na mitondra ratra am-po, isaky ny mahita zaza izy dia mitamberina ao an-tsainy ny zavatra nataony. Soso-kevitra ho an'ireo tafalatsaka tao anatin'io fomba tsy mendrika io dia ny miresaka amin'ireo pretra na eveka afaka mitantana am-panahy. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
23 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
Misy ny voka-dratsin'ny fanalan-jaza no tena mihatra mivantana amin'ilay olona nitondra vohoka nanala zaza ; mety tsy hiteraka intsony ilay vehivavy aorian'iny fanalana zaza natao an-tery iny, mety hiteraka fahafatesana ho an'ilay reny. ARaka ny antotanisa voasoratra tao amin'ny hôpitaly Befelatanana dia maro ireo vehivavy maty vokatry ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
22 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco