Mbola misy vahaolana hafa ankoatra ny fanalan-jaza koa entanina ny tovovavy sy ny vehivavy rehetra mba hanao ny ezaka hitondrana hatramin'ny ora farany ny vohoka izay azo fa tsy vahaolana ny fanalan-jaza. Ny fanalan-jaza dia misy voka-dratsiny indrindra ny ara-moraly, vahaolana akaiky mampanenina io fa tsy mampiadan-tsaina. Ny vavaka dia hery iray ahazoana bitsika mba hahitana vahaolana mendrika ny mahaolona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
21 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)
Maro ireo manala zaza noho ny olana ara-pitiavana, matahotra ny hisaraka amin'ny olon-tiany ny vehivavy satria norahonana hoe hisarahany, manahy izy fa hiandraikitra irery ny fanabeazana sy ny famelomana ilay zaza. Heloka bevava ny fanalana zaza na dia eo ary ny fanazavana sy porofo entina handresena lahatra fa marim-pototra ny fanalana zaza ; tsy vahaolana amin'ny olana sasatsasany ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
20 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco