Ny atao hoe manala zaza : fampitsaharana ny vohoka tsy hitohy amin'ny alalan'ny famonoana ny tsaika na famoahana azy tao am-bohoka alohan'ny fotoana ivelomany ety ivelany. Misy endrika samihafa ny fanalan-jaza : afa-jaza tsinahy, vokatry ny tsy napoizina ohatra nianjera, misy iniana hesorina... Hevi-diso ny fiheverana hoe anisan'ny fandrindram-piterahana ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
16 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
Maro ny mihevitra fa tsy olombelona manan'aina ny tsaika satria kely dia kely eo am-piandohana ary tsy mbola hita mivantana, mazava tsara ny taova, ny endrika rehetra mandrafitra azy ho manana endrika olombelona ary tsy afaka miaina irery ivelan'ny tenan'ny reniny izy. Ny fanambarana ny zon'ny ankizy tamin'ny 20 novambra 1959 sy ny 20 novambra 1989 dia mankatoa ny zon'ny zaza aloha sy aorian'ny fahaterahany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
15 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco