25 nôvambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)
Manoro ireo singa efatra hampijoro ny fiainana ara-politika tena mendrika ny maha-olona ny konsily manao hoe : zava-dehibe mihitsy ny mampivelatra ny hevitra lalina raketin'ny fahamarinana ny hatsara-po, ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana, ary ny manamafy ny foto-kevitra ijoroan'ny fiainam-bahoaka sy ny zava-kendrena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
24 nôvambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)
Tompon'antoka ara-piaraha-monina ny fianakaviana. Hita taratra izany amin'ny fanehoany ny firaisan-kina sy ny fahaizany mizara, tsy ao anatin'ny fianakaviana fotsiny, fa eo amin'ny sehatra isan-karazany. Mba hahatratrarana ny soatoavin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mitaona ny rehetra ny Eglizy manao hoe : aoka ny fitiavana sy ny hevitra iombonana ary ny fahamasinana no hanakambana ny mpivady. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco